Ambohibary, Moramanga | Herinandron’ny 17 martsa 2026
Dingana lehibe iray no tratra ho an’ireo Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ao amin’ny faritra Atsinanana sy Alaotra Mangoro.
Teo ambany fanatrehan’ny manampahefana, vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana miisa 22 misitraka ny ristournes sy redevances avy amin’ny tetikasa Ambatovy no nivondrona tamin’ny atrikasa fanamafisana fahaiza-manao. Afaka manatanteraka ny tetikasany ankehitriny ireo kaominina.
Nahitana fiaraha-miasa matanjaka teo amin’ireo rafitra isan-karazany ity fihaonana ity : MID/FDL, MID/INDDL, MEF, ireo rafitra mpanara-maso, Minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany, ary ny CPGU, mba hanamafisana ny fahaizan’ny kaominina sy hiantohana fitantanana hentitra, mangarahara ary mahomby ireo loharanom-bola ho fampandrosoana eny ifotony.
Dingana mivaingana mankany amin’ny fanatsarana ny fitantanana ny ristournes eny anivon’ny kaominina no tanteraka
Ambohibary, Moramanga | Semaine du 17 mars 2026
Une étape clé a été franchie pour les collectivités des régions Atsinanana et Alaotra Mangoro.
Sous le regard des autorités, 22 collectivités territoriales décentralisées bénéficiaires des ristournes et redevances minières d’Ambatovy ont été regroupées dans un atelier de recyclage et d’encadrement. Les collectivités peuvent désormais réaliser leurs projets.
Cette rencontre a mobilisé une forte synergie institutionnelle : MID/FDL, MID/INDDL, MEF, organes de contrôle, Ministère des Mines, CPGU afin de renforcer les capacités des collectivités et d’assurer une gestion rigoureuse, transparente et efficace de ces ressources au service du développement local.
Une avancée concrète vers une meilleure gouvernance des ristournes au niveau communal.
