Ny Minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefa (MID), amin’ny alalan’ny Tahirim-pampandrosoana Ifotony (FDL), dia manao fiantsoana tetikasa miantefa amin’ireo Kaominina rehetra eto Madagasikara, ho fanomezana famatsiam-bola ho an’ny fampandrosoana eny ifotony ho an’ny Kaominina.
1. Tanjon’ny antso ho an'ny tetikasa
Ity fiantsoana tetikasa ity dia natao hanohanana ireo Kaominina amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa ho an'ny fampandrosoana eny ifotony.
2. Momban’ny famatsiam-bola
Ny vola natokana ho an’ity fiantsoana tetikasa ity dia 400 000 000 Ariary isaky ny Kaominina.
3. Ireo Kaominina afaka mandray anjara
Misokatra ho an’ny Kaominina rehetra eto Madagasikara ity fiantsoana tetikasa ity.
Aorian’ny dingana fifantenana, dia Kaominina 50 no hofantenana araka ny masotsivana mazava.
4. Fametrahana ny antontan-taratasy fangatahana
Ny antontan-taratasy fangatahana dia tsy maintsy alefa amin’ny endrika elektronika sy amin’ny endrika taratasy, any amin’ny adiresy voalaza etsy ambany, farafahatarany ny 04 Septambra 2026 amin’ny 12 ora atoandro.
Tsy horaisina ireo antontan-taratasy voaray aorian’io daty sy ora io.
Adiresy ho an’ny endrika taratasy :
Birao FDL Anosy, Antananarivo
Fonds de Développement Local, Rue Pierre STIBBE, Anosy
Adiresy ho an’ny endrika electronika : contact@fdl.mg
5. Antontan-taratasy tokony hojerena
Ny toromarika ho an’ireo mpamaly ny antso ho an’ny tetikasa sy ny lisitry ny antontan-taratasy ilaina amin’ny fangatahana dia ampiarahina amin’ity filazana ity.
Ireo Kaominina liana dia asaina mamaky sy mandinika ireo antontan-taratasy rehetra ireo alohan’ny hanomanana sy handefasana ny fangatahana.
Minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana (MID)
Tahirim-pampandrosoana Ifotony (FDL)